Archive des  "Blagues en Vrac"  

Les blagues malagasy

 

1) Antanimora:
- Azafady anie! aiza ho aiza eto moa ny fonjan'Antanimora? Mbola lavitra ve?
- Arakarany ka!
- Arakarany ahoana?
Ny tenako zao atsasakadiny dia tonga tany nefa roapolo taona aho vao tafavoaka tao ko!

2)Tovolahy namangy ny renibeny:
- Manao ahoana i Bebe, salama tsara? Ahoana faly be izany izao fa nahazo jiro mandeha amin'ny herin'aratra?
- E! Tena faly tokoa moa 'zany. Sady tena mahavonjy tokoa raha sendra maty tampoka ny labozia koa!

3) Hanasa vahiny Rakoto mivady. Alohan'ny ahatongavan'ireo vahiny anefa dia nesorin-dRakoto avokoa ireo elo niantona teo an-dàlantsara ka gaga ny vadiny.
- Fa maninona no esorinao ireo elo ireo e!
- Afindrako any anaty lalimoara ka!
-Fa maninona no atao any fa tsy avela eo, ireo ve hisy angalatra e!
- Ka izay indrindra, tadidin-drizareo eo ireo ko!

4)Adala roa miresaka:
- Bema a! raha ialahy izao no éléphant dia inona no asa tian'ialahy atao?
- Ialahy 'ty tsy misaina mihitsy ko! Inona leisy fa tsy ministry ny Défense a!

5) Cannibales:
Nanidina teo ambonin'ny tanànan'ny cannibales ny raopilanina iray. Dia nanontany an-drainy ny zanany:
- Inona iny vorona afahafa iny ry dada?
- Raopilanina!
- Azo hoanina ve iny?
- Ie! ohatran'ny mihinana coco leisy ny fihinana an'iny a! Ny ao anatiny ihany no azo hoanina a!

6)- Firy taona i Bebe?
- Tena tsy tsaroako intsony reitsy ry Bozy a!
- Jereo amin'ny akanjon'i Bebe e!
- Jerena amin'ny akanjo ahoana ry kalakely a!
- Ka ny ahy izao voasoratra ao fa 5 taona!

7)Solonify:
- Ndriana a!
- Ahoana akia malala a!
- Andao amin'izay re hatory fa inona ihany ary no ataonao any e?
- Mbola miborosy nify aho e!
- Dia efa ho fahefakadiny ve dia tsy vita ihany?
- Ka mbola miborosy ny an'ise koa anie aho e!

8) Timbres:
- Mazefatra loatra ny taratasinao (hoy ilay mpiasan'ny paositra tamin'ilay ramatoa). Mila manampy timbres ianao raha tsy izany tsy afaka mandefa ity izahay.
- O r'ingahy a! Ka tsy vao maika ve anavesatra azy indray raha ampiana timbres e?

9) Tribonaly:
Nisy lehilahy iray namono vavy antitra mpanakarena ary tratra noho ny satrony adino tao.
Naka avocat mahay ranamana ka dia afaka madiodio.
Nony hivoaka ny fitsarana anefa ranamana dia hoy izy tamin'ny mpitsara : 
- Azoko entina amin'izay ve andriamatoa Président ny satroko?

10)Tao ampianarana :
- Hoy i ramose: ity misy ovy iray dia zaraiko roa. Firy ny silany?
- Roa ramose!
- Ary raha mbola zaraiko roa ireo?
- Efatra ramose!
- Ary raha mbola zaraiko roa ireo?
- Frites ramose!


Sommaire